FANAMBARANA: IZAHAY FIARAHAMONIM-PIRENENA, IZAY VONDRON’OLOM-PIRENENA MPANDRAY ANDRAIKITRA MITADY NY FANGARAHARANA SY NY TAMBERINANDRAIKITRA

FANAMBARANA: IZAHAY FIARAHAMONIM-PIRENENA, IZAY VONDRON’OLOM-PIRENENA MPANDRAY ANDRAIKITRA MITADY NY FANGARAHARANA SY NY TAMBERINANDRAIKITRA
FANAMBARANA: IZAHAY FIARAHAMONIM-PIRENENA, IZAY VONDRON’OLOM-PIRENENA MPANDRAY ANDRAIKITRA MITADY NY FANGARAHARANA SY NY TAMBERINANDRAIKITRA


Inona ny atao hoe Fiarahamonim-pirenena ? Inona marina no tena anjara andraikiny? Inona no mampiavaka azy amin’ireo mpisehatra hafa eo amin’ny fiainam-pirenena eto Madagasikara? Maro ireo mametra-panontaniana hoe inona ny antony ary fahefana avy aiza no hafahany mitaky ny tamberin’andraikitr’ireo andrim-panjakana sy ministera samy hafa. Fanontaniana maro izay mitoetra ao antsain’ireo mpanaramaso ny fiainam-pirenena na ny olom-pirenena rehetra amin’izao fotoana izao.
Izahay, fiarahamonim-pirenena, mivondrona sy misehatra amin’ny ady amin’ny kolikoly, amin’ny fampiroboroboana ny mangarahara eo amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy ny volam-bahoaka
dia mampahafantatra sy mampahatsiahy fa:

  1. Izahay fiarahamonim-pirenena dia tsy iza tsy akory fa fivondronan’ny ireo olom-pirenena tsotra izay manana fahavononana hitondra fiovana ho amin’ny tsara kokoa eo anivon’ny fiarahamonina ( eo anivon’ny fokontany, tanàn-dehibe, firenena). Ireo olom-pirenena vonona ireo no mandray andraikitra mijery ireo zavatra manahirana eo anivon’ny fiarahamonina (tsy fahampian’ny fangaraharahana sy tamberin’andraikitra, kolikoly, tsy fisian’ny fifampiresahana eo amin’ny vahoaka sy ny mpitondra, sns).
  2. Ny Lalàm-pnorenana dia manome zo malalaka ny olom-pirenena tsirairay avy hitambatra ao anaty fikambanana. Ary ny olom-pirenena, amin’ny alalan’ny hetra sy haba izay hefainy ary ireo vato narotsany nandritra ireo fifidianana maro samy hafa nandraisany anjara dia manana zo sy adidy hitaky ny tamberinandraikitr’ireo andrim-panjakana, olom-boafidy ary mpiasam-panjakana. Tsapanay ankehitriny fa misy fihemorana goavana ny demokrasia noho io fanosihosena ny ny zo fototra (ary ireo zo mahaolom-pirenena sy fahalalahana tahaka ny fahalalahan’ny fanehoan-kevitra, ny zo hahafantatra, …) izay mametraka ny fifampitokisana eo amin’ny olompirenena syn y mpitondra azy izay ampindraminy ny fahefana.
  3. Ny fiarahamonim-pirenena dia tsy misolo velively ireo andrim-panjakana eto amin’ny tany sy ny firenena. Izy dia isan’ireo andry hiankinan’ny rafi-pirenena ho amin’ny fahitsiana. Ny andraikiny dia manabe, manentana, mitaona ireo mpisehatra, manao fitakiana, mandrisika ny politikam-panjakana ho amin’ny tombotsoan’ny be sy ny maro, miaro ny tombotsoan’ny vahoaka, mampatsiahy momba ireo fihetsika na fitondran-tena tsy araky ny lalàna izay ataon’ireo tompon’andraikitra maro samy hafa ( mpanatanteraka, mpanao lalàna, mpitsara, mpanohitra,

sns), mitondra ny raharaha eo anatrehan’ny tomponan’andraikitra na fitsarana mahefa. Ary indrindra, ny fiarahamonim-pirenena dia mpanolon-kevitra mafonja eo anivon’ny fiainam-pirenena : izy dia mpandroso soso-kevitra ao anatin’ny fanajana tanteraka ny lalàna maro samy hafa mifehy ny firenena.
Amin’ny maha mpisehatra mpampivondrona azy, ny fiarahamonim’pirenena dia tsy miaro ny tombotsoa manokan’ny mpitondra na ny mpanohitra na ireo vondrona mpandrahara ekonomika na politika. Izy dia mandala ireo foto-pisainana mangarahara, mampihatra lalàna, miady amin’ny kolikoly. Mahatsapa ny firaisamonim-pirenena fa rehefa manaitra ny mpitondra izy ireo, dia manelingelina ny mpitondra ary mety mahafaly ny fanoherana izany. Ny fiarovana ny tombotsoa ambonin’ny vahoaka anefa dia tsy hijerena izay lafiny izay, ary tsy mamela azy ireo hangina, na hiraviravy tanana amin’ny andraikitra tokony sahaniny hampanjakana marina ny demokrasia.
Noho izany, izahay dia mamerina sy mitaky ireto zavatra manaraka ireto :

  • Fampiharana ny didim-panjakana laharana 2020-725 izay nanangana ny « Tahirim-bola ho entina miady amin’ny valan’aretina COVID-19 » izay hahitana :
    o Fampivondronana ireo loharanom-bola sy fandaniam-bola mahakasika ny ady amin’ny valanaretina COVID19 (and 2 sy 3);
    o Fankatoavan’ny Komity mpandrindra na “comité de pilotage” ireo teti-bola manokana izay mifanaraka amin’ny teti-bolan’ny PMDU (and 4);
    o Fandraketana ireo fandaniam-bola ao anatin’ny SIGMP;
    o Famoahana tatitra arak’asa sy ara-bola isam-bolana izay iaraha-manatanteraka amin’ny régisseur1, le comptable assignataire et l’ordonnateur responsable de la gestion du fonds (and 8) ;
    o Ny famoahana io tatitra isam-bolana io izay ahitana ny antsipirihan’ny fanatanterahana ara-teknika sy ara-bola, ny lisitr’ireo fanomezana, ny mombamombany, ny halehibeny sy ny hevi-bidiny, ny lisitr’ireo tsenambarom-panjakana nomena, ny teti-bediny, ny karazany sy ny fomba nahazona azy, ny lisitr’ireo nahazo azy, ny lisitr’ireo fitaovana sy kojakoja azo, ny vidin’ny nahazona azy sy ny fanamarinana izany ;
    o Fametrahana ny Kaomity mpanaramaso sy mpanao tombana ny vola.
  • Ny fiarahamonim-pirenena dia manaja sy mankasitraka ny andraikitra sahanin’ireo rafitra ambony mpanara-maso sy miady amin’ny kolikoly fa kosa mampirisika ny hanamafisana ireo fitaovana ara-materialy, ara-bola, ara-olombelona sy araky ny lalàna eo ampelatanan’izy ireo.
  • Ny fandraisan’andraikitra misy misy kokoa ny fahefana mpanao lalàna mba hisian’ny mangarahara, ny tamberin’andraikitra sy ny fahombiazana ao anatin’ny fanaraha-maso ny fiainam-pirenena. Izahay ihany koa dia mandroso soso-kevitra ny amin’ny fanamafisana ny entimanan’izy ireo mba hahafahany manatanteraka ireo fanadihadiana parlementera.
  • Ny firaisamonim-pirenena dia mpisehatra mitondra fiovana ao amin’ny firenena izay mila fiovam-penitra sy fanatsarana amin’ny fintantanana, ka mety hampiverina indray ny fahatokisan’ny vahoaka ny mpitondra. Mbola misy ve izay fahatokisana izany ankehitriny ?

Antananarivo, faha 15/10/2020

______________________________________________________________________________

COMMUNIQUE DE PRESSE
LA SOCIETE CIVILE, UNE COMMUNAUTE DE CITOYENS ACTIFS EN QUETE LEGITIME DE TRANSPARENCE ET DE REDEVABILITE
Qu’est-ce-que la société civile ? Quel est véritablement son rôle ? Qu’est-ce qui la différencie des autres acteurs de la vie publique à Madagascar ? D’autres acteurs publics s’interrogent même pourquoi et à quel titre se permet-elle de revendiquer la redevabilité des institutions et des ministères. Autant de questions qui hantent l’esprit des observateurs de la vie publique, sinon de tous les citoyens actuellement.
Nous, organisations de la société civile impliquées dans la lutte contre la corruption, la promotion de la transparence dans la gestion des affaires publiques, engagées dans le suivi de la transparence et de l’effectivité des Fonds, tenons à informer sinon rappeler que :

  1. La société civile est un regroupement de citoyens ordinaires avec un désir extraordinaire d’apporter un changement positif au sein de leur communauté (leur fokontany, leur ville, leur pays). Ces citoyens actifs prennent la responsabilité d’identifier les défis et problèmes de leurs communautés (manque de transparence/redevabilité, corruption, absence de concertation, …) et s’attèlent à trouver des moyens pour les solutionner, notamment en actionnant les responsables et autres autorités qui sont normalement au service de la population.
  2. La Constitution confère aux citoyens le droit de constituer librement des associations1. Et les citoyens, par les impôts et taxes qu’ils paient et leurs votes durant les différentes élections, ont le droit et le devoir de réclamer la redevabilité des institutions, des élus et des agents publics, car cela fait partie indéniablement de la gouvernance démocratique. Nous constatons actuellement un recul grave de la démocratie dans le fait de nier ce droit fondamental (et les autres libertés et droits civiques connexes comme la liberté d’expression, le droit à l’information, …) qui instaure pourtant la confiance entre le citoyen et son dirigeant à qui il a prêté le pouvoir.
  3. La société civile ne se substitue en aucun cas aux institutions de la République. Elle est l’un des piliers du système national d’intégrité (SNI). Son rôle est d’éduquer, de sensibiliser, de mobiliser les acteurs, de mener des plaidoyers/influencer les politiques publiques pour l’intérêt général, de défendre les intérêts des citoyens, d’interpeller les cas de dérives quels qu’en soient les auteurs (exécutif, législatif, judiciaire, pouvoir, opposition, …), et de saisir les autorités/juridictions compétentes (TPI, Cour d’appel, Cour de cassation, Tribunal Administratif, Conseil d’Etat, BIANCO, PAC, HCJ, …) pour sanctionner les entorses à la loi. Mais surtout, la société civile est une force de

proposition incontournable dans la vie publique d’une nation : elle émet des recommandations tout en respectant le cadre légal et règlementaire régissant le pays.
En tant qu’acteur fédérateur, la société civile n’est censée défendre aucun intérêt personnel ou de groupes (ni du pouvoir, ni de l’opposition, d’aucun groupement économique ou politique). Elle reconnaît que lorsqu’elle interpelle le pouvoir, elle le dérange et peut réjouir les partis d’opposition. Cependant la défense impartiale des intérêts de la population ne lui permet pas de garder le silence, sous peine de se soustraire à sa vocation première légitime dans une gouvernance démocratique digne de ce nom. Avec l’obligation d’être responsable, professionnelle et constructive, elle se positionne en faveur de la promotion des valeurs comme la transparence, la redevabilité, l’intégrité, l’application de la loi, la lutte contre la corruption.
A ce titre, nous réaffirmons clairement et réclamons les points suivants :

  • L’application du décret n°2020-725 portant création du « Fonds de riposte à la pandémie COVID-19 » dont :
    o Le regroupement des ressources financières et des charges liées à la lutte contre la pandémie COVID19 (art 2 et 3) ;
    o L’approbation des budgets spécifiques en ligne avec le budget du PMDU, par le comité de pilotage (art 4) ;
    o L’enregistrement des dépenses au sein du SIGMP ;
    o La production d’un rapport mensuel d’activités et financier conjointement établi par le régisseur2, le comptable assignataire et l’ordonnateur responsable de la gestion du fonds (art 8) ;
    o La publication dudit rapport mensuel d’activités et financier comprenant les détails de l’exécution technique et financière, la liste des donations, la nature, le volume et la valeur, la liste des marchés publics attribués, le montant, la nature ainsi que leur mode de passation, la liste des bénéficiaires, la liste des matériels et équipements acquis, les prix d’acquisition avec leur justification ;
    o La mise en place du Comité de Suivi Evaluation du fonds.
  • La société civile respecte et honore les rôles dévolus aux Institutions Supérieures de Contrôle et des ILCC et collabore régulièrement avec elles. Elle n’a pas cessé de recommander le renforcement de leurs moyens matériels, financiers, humains et légaux.
  • Elle souhaite l’implication du Parlement dans la gestion de la crise actuelle pour asseoir plus de transparence, de redevabilité et d’efficacité dans le suivi de l’action publique. Nous recommandons également le renforcement des moyens mis à leur disposition pour permettre la réalisation d’enquêtes parlementaires/la création de commissions d’enquête.

La société civile est un agent du changement dans un pays qui a besoin de nouvelles pratiques de gouvernance saines et performantes susceptibles de restaurer à nouveau la confiance entre le gouvernant et le gouverné. Est-ce que cette confiance est acquise en ce moment ?


Antananarivo, le 15/10/2020

https://www.ivorary.org/wp-content/uploads/2020/10/communique-de-presse-version-Malagasy.pdf

https://www.ivorary.org/wp-content/uploads/2020/10/COMMUNIQUE-DE-PRESSE-ROLE-DE-LA-SOCIETE-CIVILE.pdf

About the author